Kongresim-paritra: nihaino ny olan’ny vahoaka tany Farafangana Ravalo

“Betsaka ny zava-bitanao taty aminay. Nahavita nanamboatra ny lalana mirefy 300 km nefa tsy notokananao izany ary tsy nisehosehoana… Tsy nanavahana ny “Kit scolaire” sy ny fijerena ny fanabeazana. Tahaka izany koa ny fampiroboroboana ny fiompiana sy ny fambolena”, hoy ireo vahoaka tany Manakara sy Farafangana. Nanatante­raka ny kongresim-paritra tany an-toerana ny Tim, notarihin’ny filoha nasionaliny, Ravalomanana Marc, ny faran’ny herinandro teo.

Maika ny sakafo ho an’ny mponina
Nanterin’izy ireo fa mbola ilain’ny vahoaka any an-toerana ity filoha teo aloha ity noho ny asa nataony ka niantsoan’izy ireo ny hirotsahany hofidiana indray amin’ny fifidianana ho avy eo. Nambaran’ny mpanorina ny Tim fa anisan’ny maika aloha ny sakafo ho an’ny vahoaka. Mametraka izany ho laharam-pahamehana ny tenany, miainga amin’ny fanorenana fotodrafitrasa mifandray amin’izany, toy ny tohodrano lehibe.
Nialoha izany, nihaino ny olan’ireo mponina tany an-toerana ny tenany. Anisan’ izany ireo fikambanana misehatra eo amin’ny fanjonoana, ny mpaka sary. Eo koa ny tanora sy ny vehivavy tsy manao politika ary ireo sokajin’asa hafa. “Nahatsiaro ny fanampianao sy ny zava-bitanao izahay. Hiezaka izahay hanao ny tratry ny herinay hanampy anao amin’ny fifidianana”, hoy izy ireo.

Fizahan-toetra
Tsiahivina fa niara niombom-bavaka amin’ireo mpino, tao amin’ny FJKM Fiderana Manakara, ny filoha teo aloha sy ireo mpiara-dia aminy, omaly. Nivoitra tamin’ny teny fampianarana tamin’izany ny famakiana ny afo sy ny rano fa teo foana ny Tompo. Eo koa ny fihazonana ny finoana manoloana ny fizahan-toetra mahamay sy ny famelan’ny Tompo ho irery ny olony.

Synèse R.

Partager sur: