“Fahefana avy aiza no ahazoan’ny FES milaza fa tsy tokony hatao teny faneva
amin’ny politika ny Soratra Masina? Tena fanosihosena ny soatoavina malagasy izany. Kristianina avokoa ny 70% amin’ny vahoaka, ary mino an’Andriamanitra-Zanahary an-tampon’ny loha aza ny 100%.” Io ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Amicale des anciens Conseillers supérieurs de la transition et sénateurs de Madagascar (ACS), ny Dr Andriamaholison Jules, ny amin’ny satan’ ny fitsipi-pitondran-tena namorian’ny FES ny mpanao politika.
Aminy, tsy tokony hanao sonia an’io satan’ny fitsipi-pitondran-tena io ny mpanao politika mihevitra ho kristianina. Endrika iray vaovao amin’ny fanjanahantany na fanandevozana, ataon’ny vondrona iraisam-pirenena, ny fanaovan-dry zareo an’io sata io. “Tokony hofoanana io, fa mandadilady amin’ireo vahiny ireo isika. Izay no ahasahiany manosihosy izany finoan’ny Malagasy izany”, hoy izy.
Fihaonambem-pirenen’ny FFKM
Ao amin’ny ohabolana 14: 34, ohatra: “Ny fahamarinana manandratra ny firenena”. Raha ny toerana misy an’i Madagasikara, ao anatin’ny fahantrana lalina noho ny tsy fisian’ny fahamarinana teto amin’ny firenena hatramin’izay. Tokony ho teny faneva raisin’ny mpanao politika aza izany. Miandry vazaha ve ny Malagasy vao afa-kifandamina sy hifanaiky ? Fotoana izao hiovan’ny toe-tsain’ny mpanao politika.
Efa hanao fihaonambem-pirenena ny FFKM. “Maninona raha ao anatin’izay no hanao sata dia ny Malagasy no mifanaraka ao? Tena haja amam-boninahitra ho an’ny mpanao politika izany. Any no hatao izay fifanarahana izay, dia samy manaja an’izay ny tsirairay avy”, hoy ihany izy.
R. Nd.




