Depiote R. Siteny: “Mila fanavotana ny vahoaka”

Nitohy tany Menabe, tao Morondava, ny Mihava Tour, notarihin’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, ny faran’ny herinandro teo. “Tsy ekentsika ny fampiadiana ny samy Malagasy. Mila fanavotana ny vahoaka sy ny firenena fa tena mijaly loatra”, hoy izy tamin’ireo vahoaka tany an-toerana. Nanteriny fa tsy mahantra ny Malagasy. Nampahantrai­na isika. Izay no voalaza fa antony nampijoro azy, araka ny nambarany. Niaiky ny tenany fa tsy ho mora ny hanarina ny firenena. No­tsiahiviny hatrany fa hany vahaolana ho amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fitsinjaram-pahefana tena izy. “Mijery ny mahasoa ny vahoaka ny tena mpitondra”, hoy izy. Anisan’ny nitarainan’ny solontenan’ny vahoaka ny momba ny vidim-bokatra ambany sy ny fampianarana tsizarizary. Torak’izany ny tsy fahatanterahan’ny fampanantenana hametraka ny “Pôles Inté­grés de Croissance- Pic”. Farany ny amin’ny ranon’i Dabaraha sy ny herinaratra mbola miankina amin’ny any Antsirabe.

Niditra an-tsehatra ny Emmo/Reg

Nohitsin’ireo depiote mi­ara-dia amin’ny Mihava Tour kosa fa tsy mendrika an’i Madagasikara sy ny vahoaka izao zava-misy ankehitriny izao. “Tsy azo ekena ny famitahana vahoaka, natao nandritra ny dimy taona. Voa­fitaka isika!”, hoy izy ireo.

Tsiahivina fa nisy ny sakana nataon’ny mpitandro filaminana, na tao amin’ny toerana an’olon-tsotra aza ny hetsika. Nisy ny sakana sy fanesorana ny vahoaka. Na­haritra ora roa ny fifandresen-dahatra nataon’ireo de­piote tamin’ny Emmo/Reg vao tontosa ny fihaonana.

Synèse R.

Partager sur: