Minisitry ny Raharaham-bahiny : “Tsy ny mampisaraka no jerena fa ny mampiombona”

Mitohy ny fanentanana amin’izao fiatrehana ny fetim-pirenena izao. Niantso firaisankina ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla sy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa.

“Manentana an­tsika Malagasy mba hampiseho firaisankina sy fitiavan-tanindrazana. Iray ihany ny tanindrazantsika. Noho iza­ny, tokony hiara-misalahy isika hanompo ny tanindrazana : tsy hijery izay mampisaraka fa izay mampiombona”. Io ny hafatry ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Sylla Yvette, omaly. Na­nararaotra ny fananganan-tsaina teny anivon’ny minisitera izy, izay tafiditra ao anatin’ny hetsika fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny Fahaleovantena.

Narahina firedonana ny hiram-pirenena izany, niarahana tamin’ny mpitsoka mozikan’ny Tafika malagasy. “Ao anatin’ny minisite­ran’ny fiandrianam-pirenena ny minisiteran’ny Raha­raham-bahiny. Noho izany, rariny sy hitsiny raha natao teto ny lanonana fananganan-tsaina”, hoy izy.

Fanehoana fitiavan-tanindrazana

“Ato amin’ny minisite­ran’ny Raharaham-bahiny no misokatra ny varavaran’i Madagasikara amin’ny alalan’ireo ambasady rehetra izay masoivoho mijery antsika avy any ivelany sy ijeren­tsika ny any ivelany ihany koa”, hoy kosa ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarijaona Jo­soa. Fanentanana ny rehetra no atao mba hahatsiaro tena amin’izay fitiavan-tanindrazana izay. Tsy manana tanindrazana afa-tsy i Madagasi­kara isika Malagasy. Ny olona any ivelany aza tia an’i Madagasikara. Isika in­dray ve no tsy ho tia azy? Na inona na inona sehatra misy ny tena, tanindrazana iombonana i Madagasikara. Tsy tokony holokolokoina ny fitiavan-tanindrazana, fa an’ny Malagasy rehetra i Madagasikara.

R. Nd.

Partager sur: