Depiote Razafimanantsoa Hanitra : “Mirona tanteraka ho any amin’ny fifandonana isika”

Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny depiote Razafimanantsoa Hanitra, omaly, tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja”. Nambarany fa mampanahy ny ho avy sy ny hiatrehana ny fifidianana raha miainga amin’ny zava-misy, ankehitriny.

Nambarany fa efa tsy ho azo atao intsony izany izao ny fifamezivezena sy ny fananana zo haneho hevitra. “Miezaka mamono tanteraka sy manitsakitsaka Lalàmpanorenana ny fanjakana. Taonan’ny fifidianana anefa ity ka tokony manana zo araka ny lalàna ireo vondrona sy antoko politika na kandidà na tsia na manana olona hotohanana, hamory vahoaka”, hoy izy. Ahiana ho tonga any amin’ny korontana sy fifandonana raha mitohy izao, araka ny nambarany. Nante­riny fa efa nohitsahin’ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Atitany ny lalàna manan-kery. Mbola anaovana antsojay indray rehefa mahazo alalana ary sakanana, araka ny nambarany. Nohitsiny fa zary lasa fitaovana koa ny préfet sy ny sefo distrika miaraka amin’
ireo mpitandro filaminana, manitsaka ny lalàna velona sy ny Lalàmpanorenana. “Ma­nana fahalalahana fototra ny vahoaka sy ny mpanao politika ary ny depiote sady hiatrika fifidianana isika…”, hoy ihany izy.
Miandry kendry tohina ho amin’ny Tetezamita
Notsindriny fa mitongilana ny fepetran’ny fanjakana amin’ny fahalalahana sy fahafahan’ny mpitondra mamory vahoaka raha voasakana kosa ny hafa. Miteraka lonilony amin’ny rehetra izany ary mivadika ho herim-pamoretana politika ny mpitandro filaminana.
Notanisainy fa anisan’ny iharan’izany ny mpanorina ny Tim, Ravalomanana Marc sy ny mpitarika ny Mihava Tour, ny depiote Randrianasolo­niaiko Siteny. “Manao ny tsy fanao ny mpitondra fanjakana manoloana ireo depiote, manao samboady sy amin’ny filoha teo aloha. Mampihatra ny jadona sy manitsaka lalàna…”, hoy izy. Na izany aza, nahitsy ity depiote Tim ity mba ho mailo sy hitandrina, manoloana izany rehetra izany. Efa misy miandry kendry tohina fotsiny any ho any hizorana mankany amin’ny Tetezamita, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: