Fivorian’ny OIT : handaha-teny ny filoha Rajoelina

Hanomboka anio sy ra­hampitso, any Genève ny fi­haonana an-tampon’ny Fi­kam­banam-be iraisam-pirenena momba ny asa (OIT). Anisan’ireo handaha-teny amin’izany ny filoha Rajoe­lina Andry, ny alakamisy izao. Hiompana amin’ny fiahiana sosialy mitovy tantana ho an’ny rehetra ny lohahevitra amin’ity andiany ity. Tafiditra amin’ny Velirano fahenina ny fihaonana ho antsika, amin’ny alalan’ny asa mendrika ho an’ny rehetra.
Efa niatrika ny fihaonana an-tampon’ny OIT tahaka izao ny filoha Rajoelina Andry taorian’ny nahavoafidy azy ny taona 2019. Nankatoavina tamin’izany ny fifanarahana fototra ho amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny asa. Hiara-dalana amin’izao fivoriana izao ny hanaovana sonia fifanarahana miisa efatra. Anisan’ izany ny fiahiana ny asa sy ny fahasalamana ho an’ny mpiasa. Eo koa ny momba ireo mpiasa eny an-dranomasina.

Efa lasa lavitra
Efa anisan’ireo firenena lasa lavitra amin’ny fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa isika amin’ny alalan’ilay tetikasa “Vision zero fund”, iarahana amin’ny OIT eto Madaga­sikara. Anisan’izany ny fanatsarana ny fepetra amin’ny asa, indrindra ho an’ireo mpisafo raharahan’ny asa sy ny mpanara-maso ny asa. Ny fanamafisana ny fahaiza-manao, ny fametrahana ny “Task force” hatreny ifotony, hanara-maso ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona sy ireo sehatr’asa tsy manara-penitra.
Tsiahivina fa miisa 187 ireo firenena mpikambana eo anivon’ny OIT miatrika ny fihaonana. Anisan’ireo filoham-panjakana miisa 17, miatrika izany ny filoha Rajoelina Andry.

Synèse R.

Partager sur: