Tabera R. : “Hanao fifidianana ny Tetezamita”

“Manohana ny fanan­ganana ny fitondrana Tete­zamita izahay. Hikarakara fifidianana fotsiny ireo ao anatin’izany governemanta hijoro izany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny CRN, i Ta­bera Randriamantsoa.
Izay ho Praiminisitra amin’izany no handamina an’izay fikarakarana fifidianana izay, satria tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa izy. Toy ny Praiminisitra tamin’ny Tetezamita, taona 1992, Ra­­z­anamasy Guy Willy. Ho­mena fahefana feno izay ho Praiminisitra eo. Tsy mandray anjara amin’ny fifidianana ny mpikamban’ny governemanta. Na fifidianana filohan’ny Repoblika izany, na fifidianana depiote, na ben’ny Tanàna. Ny governemanta koa no mandamina ny ataon’ny Ceni sy ny fandrafetana azy toy ny natao tamin’ny fifidianana 2013.
“Efa nandinika izahay ka mijery: ahoana ny tsy hampisy krizy indray eto ka hisy fifandonana toy ny tamin’ny 2002, ary hijaly ny vahoaka? Alamino aloha vao miroso amin’ny fifidianana”, hoy izy. Tsy vaovao eto amin’ny firenena izay vahaolana izay, ary tsy fitadiavan-tseza ny fananganana Tetezamita.

R. Nd.

Partager sur: