Tanteraka ny fampanantenana. Nanolotra jiro ho an’ny mponina any Imady Ala, fony minisitry ny Tontolo iainana, Raharinirina Baomiavotse Vahinala. Na izany aza, nisy kaominina vitsivitsy any an-toerana tsy mbola nisitraka izany. “Tsy maintsy homena ireo kaominina ireo. Tsy hisy toerana hatao zanak’Ikalahafa araka ny toromariky ny filoha Rajoelina ny amin’ny filazany fa tsy misy distrika hadino”, hoy ity mpanolontsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika ity.
Nohamafisiny fa mariky ny fahazavana sy ny fisokafana ny jiro. Antony nahatonga azy nanolotra izany. Nitondra fitaovana ho an’ ny kaominina maromaro ny tenany, nandritra ny fidinana ifotony ny faran’ ny volana mey. Anisan’ izany ny tao amin’ny kaominina Antoetra, nahazo jiro miisa 10. Dimy isan-kaominina kosa ny tao Ihadilanana sy ny any Fehizay. Ankoatra izay, nisy ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo vahoaka tany an-toerana. Voaresaka ny fampandrosoana sy ny fanabeazana. Nisy ny fihainoana ny hetahetan’ny mponina.
Synèse R.




