Tontosa omaly tao amin’ ny bataillon d’infanterie Toamasina ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana teo amin’ny kaomandy teo aloha, ny Kly Randrianarisona Elizea sy ny kaomandy vaovao, ny Kly Vahinimamy Brice.
Nanome toky ny kaomandy vaovao fa hanohy ny ezaka vitan’ny teo aloha. Ny olona no miova fa ny andraikitra kosa mitohy hatrany amin’ny fampandriana fahalemana sady fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, araka ny fanazavana. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ireo manamboninahitra miaramila sy sivily ary ireo tompon’andraiki-panjakana eo anivon’ny Faritra Atsinanana. Nofaranana tamin’ ny matso notanterahin’ireo miaramila ao amin’ity vondron-kery ity ny lanonana.
J.C




