Fahamailoana amin’ny fifidianana : hatsangana eny ifotony ny Andrimaso FFKM

Mailo tanteraka. Anisan’ ny nivoitra tamin’ny fihaonambem-paritry ny FFKM ho an’ny tao Antsirabe, ny herinandro teo, ny fiainam-pirenena. Voaresaka manokana ny momba ny hiatre-hana ny fifidianana. “Nifam­pidinika sy nifanakalo hevitra momba izany ireo mpizaika ary samy nitady va­haolana mba hametrahana fitoniana sy filaminana ho amin’izany fizotran’ny fifidianana izany. Tapaka fa handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana ny rehetra ka hiroso amin’ny fananganana ny rafitry ny Andrimaso FFKM eny anivon’ny fokontany”, hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Nentanina ny vahoaka ma­nontolo mba handray anjara feno amin’ny fikarakarana sy ny fanomanana ny fifidianana.

Delestazy sy ny tsy fandriampahalemana

Etsy andaniny, anisan’ny nisongadina koa ny momba ny sosialim-bahoaka sy ireo olana manodidina izany. Anisan’ny nampitaraina ny rehetra ny delestazy sy ny tsy fandriam-pahalemana. Itoviana amin’ny faritra rehetra hanatanterahana ny fihaonambem-paritra izany. “Zava-dehibe eto amin’ny firenena izany andraikitra raisin’ny FFKM izany ary tokony hahatonga saina ny mpitondra fanjakana”, hoy ny loholona MMM, Rako­tondrainibe Michel (Ndriana), anisan’ny mpanao politika, nandray anjara tamin’izao fihaonambem-paritra izao.
Tsiahivina fa naharitra telo andro, nanomboka ny 7 jona teo izany dinika niarahana amin’ny fiangonana efa-tonta izany ary notanterahina tao amin’ny FJKM Vatofotsy Antsirabe.
Tsiahivina fa efa maromaro ireo faritany FFKM nahatontosa ny fihaonambem-paritra. Hiroso amin’ny fihaonambem-pirenena izy ireo, aorian’izany.

Synèse R.

Partager sur: