Fanitarana ny fiaraha-miasa : hiantsehatra amin’ny fambolena koa ny Croix-rouge

Tsy hijanona amin’ny nahalalana azy hatramin’izay. Tonga eto amintsika manatanteraka iraka ny delegasiona avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny Croix-Rouge sy Croissant Rouge.

Noraisin’ny Praimini­si­tra Ntsay Christian, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, izy ireo, omaly. Nodinihina nandritra ny fihaonana teo amin’ ny roa tonta ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny alalan’ny Croix-Rouge Ma­lagasy. Tafiditra ao anatin’ izany ny fampifanarahana amin’ny drafitra fampandrosoana eto amintsika ny fandaharanasan’izy ireo.
Voaresaka koa ny hanitarana bebe kokoa ny fiaraha-miasa, ankoatra ny fiahiana ny maha olona, efa iandraiketan’izy ireo.
Anisan’izany ny hijerena ny fiaraha-miasa momba ny fiovaovan’ny toetr’andro. Eo koa ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, ary koa ny lafiny fahasalamana.

Hihaona amin’ny tomponandraikitra hafa

Tsiahivina fa ivondro­nan’i Madagasikara sy ny atsy amin’ny Nosy Maurice, Seychelles ary Comores izany Federasionina iraisam-pirenen’ny Croix-Rouge sy Croissant Rouge izany. No­tarihin’ny filohany, Moham­med Omer Mukhier, talem-paritry ny IFCR izao fihaonana izao.

Mbola hitohy amin’ny fihaonana amin’ireo tomponandraikitra hafa eto amin­tsika izao fivahinianan’ireto vahiny ireto eto amintsika.

Synèse R.

Partager sur: