Jeneraly Serge Gellé: “Tsy mety ny mifampikasikasi-tanana “

Nitondra ny heviny, manoloana ny tranga niseho tany Morondava, niainga amin’ny fihetsiky ny depiote iray, ny faran’ny herinandro teo, ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana. Mazava ny nambaran’izy ireo tamin’izany.

“Izaho manokana, tsy mety amiko ny mi­fampikasikasi-tanana. Misy antony ao, matoa misy ireny”, hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria-pirenena, ny Jly Serge Gellé, tany Toamasina, afakomaly, momba ny fikasihan-tanana nataon’ny mpanao politika tamin’ny mpitandro filaminana tany Morondava, ny alahady lasa teo. Taorian’ny famoriana ireo tomponandraikitry ny filaminana, Faritra Atsinanana, ho fandrindrana ny fitandroana filaminana hiatrehana ny fetim-pirenena sy ny fifidianana no nilazany izany.
Inoany fa samy haka lesona amin’izany ny rehetra.

Misy antony ao fa tsy misy mandeha ho azy izany…

Na ny tomponandraikitra lazaina fa namoaka fahazoan-dalana izany, na izay nahatonga ny fitantanana ny toe-draharaha. Tsy misy zavatra mandehandeha ho azy, fa misy antony hatrany ao.
“Mila manaraka lalàna ny fanehoan-kevitra”, hoy izy. Tsy mahafaty antoka izany. Raha misy tsy fana­rahan-dalàna, tsy maintsy misy hatrany ny fandraisana andraikitry ny mpitandro filaminana. Vy tsy mikitrana irery. Fandriampahalemana io: azo atao ny milamina, fa tsy tsara ny fihantsiana sy ny mifampikasi-tanana. Misy lalàna momba ny fifampikasihan-tanana ve? “Raha ny miaramila fehezinay sy eo ambany fiadidianay no iharan-javatra, tsy maintsy misy fepetra raisinay”, hoy ihany izy.

Tany demokratika i Madagasikara

“Tany demokratika i Ma­dagasikara, malalaka ny fanehoan-kevitra. Ny antony hanasiana lalàna, araka ny tenin’ny tonia mpampanoa: misy tany sy lalàna eto, misy fandrindrana izany”, hoy kosa ny minisitry ny Fiaro­vam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa. Re­hefa tsy misy izay lalàna izay, tsy afa-miaina eto isika mianakavy. Entaniny ny rehetra mba hanaraka antsakany sy andavany ny lalàna velona misy eto Madagasi­kara, na amin’ny lafiny inona na inona. Rehefa samy manao an’izay ny rehetra, milamina ny tany sy ny fanjakana.

R. Nd.

Partager sur: