“Manohitra befahatany fotsiny ny mpanohitra”, hoy ny sekretera nasionalin’ny TGV, Mahajanga, sady filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Rahantanirina Lalao. Nitondrany fanamarinana ny ataon’ny mpanohitra sasany, ankehitriny. Misy mpanohitra miteny fa tsy maintsy miteny izy ireo, fa indraindray menatra raha hilaza fa manao izao fitondram-panjakana izao. Misy mpanohitra mahatsapa an’izay. Na eo anivon’ny Antenimierampirenena aza, misy manatona azy, araka ny nambarany, fa mety ny ataon’ny mpomba ny fitondrana tsy mivadika amin’ny filoha Rajoelina. Mahita ny asan’ny filoha manerana ny distrika eto Madagasikara ireo mpanohitra, fa manohitra befahatany fotsiny.
Taloha nisy tondra-drano, maty ny vokatra: iza ny fitondram-panjakana manatitra masomboly any amin’ny vahoaka na manampy ny vahoaka? Tsy mbola hita teto izany. Mijery sy manampy ny vahoaka ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoha Rajoelina. Maneran-tany ny fahasahiranana amin’izao: nateraky ny valanaretina Covid-19, ny ady tsy mety vita eo amin’i Ukraine sy i Rosia. Nefa mbola afa-manao fotodrafitrasa ihany i Madagsikara, na eo aza ny olana mianjady maneran-tany.
R. Nd.




