Fanaraha-maso lisitra mpifidy : tsy tokony hiandrasana fotoana farany

“Dieny izao, raha vao tonga eny amin’ny fokontany izay lisitry ny mpifidy ka ma­metraka petadrindrina fanentanana ny olompirenena ha­na­ra-maso ny fokontany: mila mijery haingana an’izay ny rehetra mba hahazoana miantoka ny fanarenana. Indrain­dray, miandry fotoana farany ny maro… ” Io ny nambaran’ ny mpampakateny, Andriama­ro­tafika Soava, momba ny famaranana ny fahazoana ma­nao fanarenana sy fanitsiana ny lisitry ny mpifidy hatra­min’ny 17 jolay ho avy izao.
Lasa fitangoronana be izay fanaraha-maso izay, raha iandrasana fotoana farany. Na ny fanarenana sy fanitsiana tokony handeha araka ny tokony ho izy aza, lasa misy lesoka. Tena zava-dehibe io fanaraha-maso io. Izay no hisorohana ny ahiahy resahin’ny sokajin’ olona maro hoe mety hisy an’izao na izatsy. “Aleo manara-maso isika mba hahazoana lisitry ny mpifidy, araka ny tokony ho izy tokoa”, hoy izy. Mba tsy hisy olona hafa nampidirina fotsiny ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Izay ilay fanaraha-maso.
Raha ny marina, amin’izao fotoana izao, tokony ho efa eny anivon’ny fokontany ny lisitry ny mpifidy izay nandraisana an’ireo fanitsiana isan-karazany amin’ny famaranana vonjimaika izany. Eo ihany koa ireo olompirenena izay vao nahasoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Satria izay nisoratra anarana taorian’ny 9 marsa nanaovana famaranana vonjy maika, izay vao tafiditra ao anatin’ny lisitra hivoaka atsy ho atsy.

R. Nd.

Partager sur: