Miasa any amin’ny faritra roa, Diana sy Boeny, ny tetikasa « Global Forest for Future» (F4F). Manohana azy ara-bola ny minisitera alemà ho an’ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny fampandrosoana, amin’ny alalan’ny Fiaraha-miasa alemà ho an’ny fampandrosoana (GIZ). Tanjona ny hamerenana amin’ny laoniny ny tontolo manodidina sy ny ala (RPF).
Miara-miombon’antoka manatanteraka ny tetikasa F4F ny Justdiggit, ny GIZ ary eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) ary ny Afr100. Tanjona ny hanarenana tontolo manodidina sy ny ala mahatratra 4 tapitrisa ha.
Anisan’ny voakasik’izany ny toerana maromaro ao anatin’ny distrika Antsiranana II, faritra Diana. Nilaza i Marcellin fa misy velarantany mirefy 61 ha nambolena hazo (acacia, kininina, hazoala, …) sy hazo fihinamboa any amin’ny kaominina Sadjoavato. Misy koa ny fambolena voanjo, hanatsara ny fidiram-bolan’ny mponina, toa an-dRtoa Norosoa Félicienne. « Mahatratra antsasaka hekitara ny fambolem-boanjo nataoko, ary mbola hotohizako sy hitariko amin’ny fotoana manaraka. Tena mahasoa anay ny fisian’ity tetikasa F4F hampiasana ny paikady famerenana amin’ny laoniny ny tontolo manodidina sy ny ala (RPF) ity. Hamboly vary koa aho amin’ny manaraka », hoy izy.
Ho an’i Augustin, mpikambana ao amin’ny VOI Andalosy Ambany, « angatahanay ny hanampiana fitaovam-pambolena anay, mba hahavitana velarantany lehibe kokoa ».
Manodidina ny 400 ha ny tany azo hajarina any Sadjoavato, manana sata toerana fambolen-kazo ho an’ny faritra Diana.
Masera mamokatra
ho fitaratra
Tohanan’ny F4F koa ny masera Prado any amin’ny kaominina Berafia, Antsiranana II, mivondrona ao anatin’ny fikambanan’ny tantsaha « Te hivoatra ». Nilaza ny lehibeny, masera Bevahiny Marie Léonardine, fa mitaiza ankizy marary hoditra no tena sahanin’izy ireo, saingy mamokatra, mba hahafahana mivelo-tena. Mahatratra 5 ha ny velarantany ambolena volontsangana sady ampivadiana amin’ny mangahazo, hazo fihinamboa 2 ha, kininina 2 ha, voanjo, voamaina, …. « Tsapanay fa tena mahomby ny fambolena, satria nahazo voantsororoka 60 kapoaka izahay raha 5 kapoaka ny masomboly nampiasaina. Tena miasa izahay, na masera aza, mba ho ohatra velona amin’ny mpiara-belona sy ny tantsaha », hoy izy. Tsy mampiasa akora simika izy ireo, ka vao mainka manatsara ny nofon-tany ny zezi-pahitra.
Hanome asa ny tanora
Nafarana manokana avy any Sina ny volontsangana ambolen-dry Masera. Mampiavaka azy feno ny tahony, fa tsy loaka toy ny fahita. Haingam-pitombo ary azo anaovana taozavatra sy fanaka samihafa. « Afaka manangana orinasa madinika izahay, mba hanome asa ny tanora », hoy ihany i masera Bevahiny M.L. Tany manana titra azy manokana ny ambolen-dry masera.
Toerana hafa koa ny any amin’ny kaominina Anketraketraka. Nilaza ny ben’ny Tanàna, Ruphin Auguste, fa mirefy 11 ha ny toerana natokana ho fambolen-kazon’ny faritra Diana. Mampiavaka azy, nasiana aro afo hiarovana ny fambolena. Ampifandimbiasina isaky ny telo taona ny voanjo sy ny katsaka, ka manatsara ny nofon-tany. Manampy ireo koa ny vary. Olan’ ny tantsaha ny tsy fahampian’ny fitaovam-pambolena.
Njaka Andriantefiarinesy