Toy ny fanao isaky ny 25 jona, hanamarihana ny fetim-pirenena, hisy indray ny fandefasana ny afomanga miavaka amin’ity. Efa ao anatin’ny fametrahana ny pitsopitsony ara-teknika avokoa ireo tomponandraikitra misahana izany. Efa vonona ihany koa ny toerana hanatanterahana izany. Nomarihin’ny komity mpikarakara fa efa voaara-maso avokoa ireo fitaovana rehetra entina ampiasaina mandritra io fotoana io. Olona manam-pahaizana manokana momba ny fandefasana afomanga no misahana ny fandrindrana izany. Nisy ny toromarika ho an’ny rehetra hijery izany afomanga lehibe izany. Mifanindran-dalana amin’ny afomanga etsy amin’ny farihin’Anosy ny fisian’ny afomanga lehibe koa ao
amin’ny Kianja Barea Mahamasina, aorian’ny “Antsam-piderana” hitondrana am-bavaka ny firenena. Tsy tokony hivoaka, araka izany, ny olona efa tafiditra ao anatin’ny Kianja Barea mandritra io fotoana io. Mitovy ny afomanga hiseho amin’ireo toerana roa ireo, araka ny fanazavan’ny komity hatrany. Nantitranterin’izy ireo fa tsy azo atao ny mijorojoro eny amin’ny manodidina ny farihin’ Anosy satria mety hampidi-doza izany. “Rarana koa ny fitsilovana “laser” eny amin’ny faritry ny farihin’Anosy fa mety hitera-doza satria misarika ny fipoahan’ireo vanja izany”, hoy ny tomponandraikitry ny filaminana eo anivon’ny komitim-pirenena mpanomana ny fankalazana ny fetim-pirenena (CNTO), ny Jly Andriamasimanana William.
Jean Claude