Mitohy hatrany ny dian’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa (MDN) sy ny delegasiona tarihiny any Bourget, Frantsa. Nihaona tamin’ny tale lefitry ny fiaraha-miasa sy ny fiarovana, Jérôme Bresson, ao Paris indray izy ireo.
Nivoitra nandritra izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa momba ny fiarovana an-tanety sy an-dranomasina ary ana habakabaka. Napetraka nandritra ny fihaonana ireo paikady mahomby sady haingana hanatsarana ireo sehatry ny fiarovana aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Ankoatra izany, nisongadina nandritra izao andro faharoa ao anatin’ny fanatrehana ny “Salon de Bourget 2023” izao koa ny nahazoan’ireo delegasiona malagasy fanasana avy amin’ny Airbus. Orinasa eoropeanina goavana, mpiara-miasa akaiky amin’i Madagasikara amin’ny famatsiana helikoptera. Nifanakalozana nandritra izany ireo fomba entina hikojakojana ireo helikoptera sy ireo dingana hahafahana mampiofana Malagasy mpanamory maromaro hampivoarana ny tontolon’ny Tafika ana habakabaka. Tranoheva maro no haranty ao anatin’ity hetsika lehibe ity ka anisan’ny notsidihiny tamin’izany ny fivoaran’ny teknolojia vaovao momba ireo fiaramanidina. Fanamby lehibe tratrarin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny fanatsarana ny tontolon’ny Tafika ana habakabaka. Ny fitsidihana ireo fitaovana ireo dia manampy amin’ny fandalinana sy fahafantarana ireo fiaramanidina azo ampiasaina mifanaraka amin’ny fivoarana ilaina eto Madagasikara.
Jean Claude




