Iza moa izy ? Sekretera jeneralin’ny antoko HVM, Rasambany Alain Désiré. 39 taona ary zanaka mpampianatra sy mpamboly any Toliara II. Manambady ny tenany. Mankafy ny voamaina sy ny “Fruit de mer”. Anisan’ny fialamboliny ny mamaky boky sy ny “voyage” ary ny mamonjy “discothèque”. Tia ny basikety sy ny volley ary ny “corde”. Mankafy ny mozika mafana “Tropicale”.
Nahazo ny bakalorea Série D ny taona 2004 ary efa saika hanampy an-drainy hivarotra saingy anisan’ny nampirisika azy hanohy fianarana aty Antananarivo ny efa nahafatesan’ny reniny, raha vao sivy taona izy. Faniriany fony fahakely ny ho lasa dokotera saingy tsy voaray tao amin’ny sampana “Médecine” ka nanao fifaninanana ho mpianatra toekarena “Economie” teny Ankatso sy ny fitantanana “Gestion et finances” tao amin’ny ESsca sy ny Inscae. Nahazoany ny “DESS en Economie – DESM en Gestion et finances” ary ny “MBA- Inscae” izany (2005-2010).
Inenina nifaninana vao tafiditra tao amin’ny Enam
Indimy nanao fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana teny amin’ny Enam sy ny ENMG saingy tsy tafiditra. Tsy nahakivy azy izany ka efa fanineniny ny taona 2017 vao tafiditra tao amin’ny Enam. Niofana momba ny “Haute étude en administration spécialisation Diplomatie et Relations Internationales”. Eo am-pamaranana ny “Doctorat en management et développement” eny amin’ny oniversite katolika “UCM” izao.
Efa niasa amin’ny sehatry ny torohay “Consultance”, nanomboka ny taona 2010, Rasambany Alain, tamin’ny “Cabinet d’études et d’expertise comptable”. Niara-niasa tamin’ny orinasa maro na koa ireo fikambanana iraisam-pirenena, toy ny Bad, ny Unicef… “Tsy mbola nandray karama fa solon-tsakafo sy saran-dalana ihany no noraisina”, hoy izy. Sady niasa tamin’ny fanjakana koa anefa ny tenany tamin’izany. Teo koa ny fanamafisana fahaiza-manao tany Chine, Rwanda, Kenya, Maurice…
Niditra amin’ny antoko politika ny taona 2017 ary nanampy azy tamin’izany ny niofanany tao amin’ny YLTP ny momba ny haitarika. Mpikambana eo anivon’ny antoko HVM avy eo. “Fotokevitra tiana hijoroana ny sosialy demokraty… Nametrahako fanamby fony nianatra tamin’ny nifaneraserako tamin’ireo depiote sy minisitra ary loholona ny fitiavan-tanindrazana sy ny fomba fanaovana politika… Naka lesona aho. Mila fahaizana mba hiavahana amin’ny hafa ny fitantanana ny firenena ka nahantonga ahy nilofo nianatra”, hoy izy. Voafidy ho sekretera jeneralin’ny HVM ny tenany ny taona 2021. Sekretera jeneralin’ny Fizafato koa izy tamin’izany.
Mila mijoro fa mbola afaka manova
Nambarany ny tokony hijoroana na resy aza tamin’ny fifidianana. “Resy lahatra aho fa mbola afaka manova isika na kely aza ary mazava hatrany ny lalana rehefa miatrika. Tsy mora ny mampihodina antoko satria tanora ny tena. Ilaina hatrany ny fanajana sy fihainoana ireo zoky raiamandreny”, hoy izy. Anisan’ny olana amin’ny fanaovana politika ny fikatsahana fahefana tsy miatrika fifidianana. Ny tsy fananana vina. Eo koa ireo tsy miditra antoko politika nefa mialokaloka any anaty fikambanana mba hanaovana politika.
Torolalana omeny ny tanora ny fahaizana sy vina. Ny toe-tsaina manadihady tranga samihafa, mialoha ny fanapahan-kevitra. Eo koa ny fananana fijery iombonana ho amin’ny fahombiazana iraisana fa tsy mandeha irery. « Raiso an-tanana ny hoavin’ny firenenao », hoy izy teo am-pamaranana.
Nangonin’i Synèse R.




