Fitorian’ny APM: mitaky fanarahan-dalàna Razanamahasoa Christine

Nandray ny avy amin’ny Antoko politika madio (APM), ny filohan’ny Antenimieram­pirenena, Razanamahasoa Christine, omaly, teny Tsimbazaza. Nitondra ny taratasy fanamafisana ny fitoriana ny filohan’ny Repoblika izy ireo.

Tonga nanamafy ny fitarainana sy ny fitoriana mom­ba ny fizakan’ny filohan’ny Repoblika ny zom-pirenena frantsay teny amin’ity andrim­panja­kana ity ry Rako­toarisoa Alban (Gangs­ta­­bab), eo anivon’ny APM. Mazava ny nambaran’ny fi­lohan’ny Ante­nimi­erampire­nena fa misokatra ho an’ny rehetra ny varavaran’izy ireo eny Tsimbazaza. Nohaza­vainy kosa fa aleo ny lalàna sy ny dingana rehetra mifanaraka amin’izany no arahana mom­ba io fitorian’ity antoko ity sy ny fangatahan’izy ireo ny hiampangana ny filohan’ny Repoblika amin’ny alalan’ny latsabaton’ireo depiote. Eo koa ny handefasana ny Filo­ham-pirenena hotsarain’ny Fitsa­rana avo (HCJ). Andra­sana, araka izany, ny mety ho tohiny eny Tsimbazaza.
Etsy andaniny, nolanian’ireo depiote fa anisan’ny lahadinika aorian’ny fetim-pirenena, ny 28 sy ny 29 jona, ny fifanatrehana eo amin’ny go­vernemanta sy ny Antenimi­ram­pirenena. Ho raikitra amin’izany izao raha tsy tanteraka hatrany izany teo aloha.
Hatao ny zoma 30 jona, mialoha ny fotoam-pamaranana ny fivoriana ny fifidianana ny solontenan’ny Ante­ni­miera ho eo anivon’ny HCDDED indray, manomboka izao. Aorian’izany ny fanapahan-kevitra horaisin’ny depiote amin’ny hanenjehana ireo mpitondra ambony teo aloha, ahiana ho nanao kolikoly na nanodinkodina volam-panjakana.
Hafampana izany ny eny Tsimbazaza amin’ny herinandro.

Synèse R.

Partager sur: