Niray tendro amin’ny dahalo : sefo fokontany nosamborina

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny sefo fokontany ao Ambohimiarina, kaominina Ambalafaminty, distrikan’ Antsohihy, afakomaly. Noho ny firaisana tsikombakomba amin’ny dahalo mpangalatr’omby, nentina natao fanadihadiana io lehiben’ny fokonolona ao an-toerana io. Miara-miasa amin’ireo olon-dratsy, anisan’ny mandoto ny fandriampahalemana ao ana­tin’ity distrika ity ny fandraisany anjara sy fidirany an-tsehatra ka antony nanadihadiana azy. Tsy afa-bela, niaraka nofotompotorina taminy koa ny ben’ny Tanàna ao amin’io kaominina io. Atolotra ny fampanoavana aorian’ny fa­nadihadiana lalina azy izy mirahalahy ireto.

Tsiferana R.

Partager sur: