Facebook: misoloky ho mahavita Visa Schengen

Natolotra ny fampanoavana omaly, ka naiditra am-ponja vonjimaika ny teratany vahiny iray. Voarohirohy ho nanao fisolokiana, milaza fa mahavita manao Visa Schengen izy. Ireo polisy misahana ny fanaraha-maso sy fanadihadiana ireo vahiny mandalo eto amintsika no nahasambotra azy. Mandeha fanapariahana amin’ny kaonty “facebook” ity vazaha ity mampahafantatra ireo hivoaka an’i Madagasikara ka mila visa. Mampanantena izy fa afaka manao ny taratasy rehetra amin’izany. Rehefa tonga anefa ny fotoana handehanana, tsy tafavoaka akory ilay olona. Maro ireo efa voasolokiny. Tao ireo efa nahazoany vola 34 529 000Ar, ny hafa indray 10 494 000Ar ary 17 370 000Ar hanaovana io visa io. Voatery nanao fitarainana teny amin’ny polisy ireto olona tratra farany ireto. Nomarihin’ireo olona ireo fa raha vao mitondra taratasy ao amin’ity vahiny ity fotsiny dia efa asainy mandoa vola 2 hetsy Ar.

Jean Claude

Partager sur: