Ravan’ny zandary ny fikambanan-jiolahy mpangalatra fiara. Voasaringotra tamin’izany koa ny mpividy halatra. Efa naiditra am-ponja izy ireo.
Tra-tehaka ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamin’ny fahaverezana fiara tsy mataho-dalana. Noraisim-potsiny tetsy Ambohitrimanjaka izy ireo. Nandroba ny fiara tsy mataho-dalana iray marika Mazda BT 50 teo Andranotapahina Mandriambero izy ireo, ny 4 jona tamin’ny 6 ora hariva. Nitondra fitaovam-piadiana, nanapoaka basy ireo jiolahy ka voatery nidina ny fiara noho ny tahotra ny mpamily. « Nikasa hamonjy fodiana hihazo an’Ambohidratrimo ireo tao anatin’ny fiara », hoy ny zandary ao Talatamaty. Norobain’ireo jiolahy anefa ny fiara. Nifampitadiavana io fiara io taorian’izay. Nentin’ireo jiolahy nandositra, novainy laharana ny fiara. Nentin’ireo mpangalatra nihazo an’Ankafotra, kaominina Andriampamaky, distrikan’i Manjakandriana izany. Nitady mpividy, nahita ireo olon-dratsy.
Tratra teny amin’ny mpividy
Nifanao fotoana tamin’ny olona voalaza hividy ity fiara halatra ity ireo jiolahy. Noraisin’ny mpanjifa iray teny Ambohitrimanjaka ny fiara. Tetsy ankilany, efa nanaraka akaiky ny fizotry ny raharaha sy ny fanadihadiana lalina ny zandary. Vokany, niditra ifotony tamin’ny fanamarinana io fiara very io. Notanana ilay mpividy halatra sy ireo nivarotra izany. Voamarina fa ilay fiara tsy hita popoka nisy naka tetsy Mandriambero tokoa ity hita ity. Nosavaina ny tranon’ireo jiolahy. Bala maromaro mirefy 9 mm no hitan’ny zandary tao. Notanana eo anivon’ny zandary ny fiara. Niakatra fampanoavana ny raharaha ka niafara tamin’ny fihazonana am-ponja azy ireo vonjimaika, omaly.
Tsiferana R.