Notanterahina omaly, teny Alarobia, ny dinika faharoa nokarakarain’ny Ceni, iarahana amin’ireo mpisehatra politika rehetra sy ny fiarahamonim-pirenena. Mazava ny nambaran’ny filohan’ity rafitra mikarakara fifidianana ity.
« Lera izao hanamafisana ny fitiavan-tanindrazana ; hanentanana ny olom-pirenena hiditra anatin’ny lisitry ny mpifidy ; hirosoana amin’ny fifidianana madio eken’ny rehetra», hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène. Nohitsiny fa tsy leran’ny fanelezam-baovao tsy marina mampisavorovoro ny saim-bahoaka izao. Naneho fahavononana ny hanaja hatrany ny soatoavina sy ny lalàna ary ny tsy fiandaniana ny Ceni ary nanome toky fa tsy hanodinkodina ny safidim-boaka, araka ny nambarany. Notsiahivin’ny Ceni tamin’izany ny dingana vita amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny antony araka ny lalàna, ilay 20 andro fanampiny ahafahan’ny olom-pirenena mbola manamarina sy misoratra anarana. Eo koa ny fanatsarana natao niainga tamin’ny dinika teo aloha sy ny tolokevitry ny mpanao fitsirihana. “Mbola ho avy ny fitsirihana andiany faharoa hataon’ny Frankofonia (OIF)”, hoy izy.
Etsy andaniny, nambaran’ny solontenan’ny governemanta, tamin’ny alalan’ny minisitra , Ramaholimasy Pierre Holder fa tsy miala amin’ny fifidianana isika. “Vonona ny fanjakana ary manaja ny fahaleovantenan’ny Ceni 100%”, hoy izy.
Hampiditra krizy ny Tetezamita
Mazava kosa ny nambaran’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc fa ny fifidianana ihany no vahaolana ahafahantsika mamaha izao olana eto amin’ny firenena izao. “Vao mainka hampiditra antsika anaty krizy ny Tetezamita voizin’ny mpanohitra sasany. Tsy ho tafavoaka ny firenena raha hirosoana izany“, hoy izy. Nanteriny fa ilaina ny fanatrehana ny dinika mba hahafahana milaza ny fomba fijerin’ny tsirairay.
Niatrika izany ireo avy amin’ny fitondram-panjakana sy ny eo anivon’ny Pnud sy ny OIF. Ny mpanao politika sasany sy ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena ary ny eo anivon’ny FFKM sy ireo finoana hafa.
Synèse R.




