Lozam-pifamoivoizana: mpitondra moto maty tsy tra-drano

 

 

Namoy ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy ny mpitondra moto iray teo amin’ny Pk 78 + 100,  tao Sahamaria, fokontany Ambohimanarivo, kaominina ambanivohitra Tanambe, distrika Amparafaravola, afakomaly. Avy any Ambatondrazaka, nanao taingin-droa tamin’io moto io ireto tra-doza ireto. Nikasa hihazo an’i Tanambe izy ireo. Nandeha mafy anaty andro alina, nivoaka tampoka ny arabe ny moto.  Vokany, naratra mafy ireo olona. Nentina notsaboina tao amin’ny toeram-pitsaboana iray ao an-toerana. Naratra mafy teo amin’ny lohany sy ny valahany. Tsy tana ny ain’io lehilahy io. Manaraka fitsaboana kosa ilay vehivavy niaraka taminy. Natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsiakan’ilay maty.

Tsiferana R.

Partager sur: