Zava-mahadomelina: nodorana  ireo rongony 312 kg mahery

Navadika ho lavenona ireo rongony 312,25 kg saron’ny zandary tao  amin’ny fokontany Ambodivohitra, kaominina  Antsamaka, distrikan’i Bealanana,  afakomaly. Saron’ny mpitandro filaminana vao mangirandratsy teo amin’io fokontany io ireto zava-mahadomelina ireto. Tao anaty gony miisa 12, tsy nahitana olona nitondra ireo entana ireo. Nosavain’ny mpitandro filaminana ny gony. Rongony avokoa no hita tao anatin’izany. Nentina nihazo ny biraon’ny zandary, nodorana ny alarobia teo avokoa ireo rongony ireo. Anatin’ny fanadihadiana lalina izay tompon’antoka tamin’ny fitaterana ireto entana ireto ny zandary ao an-toerana amin’izao fotoana.

Tsiferana R.

Partager sur: