Nivoaka omaly ny lisitry ny mpilalao hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, amin’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, taranja basikety 5×5 sy 3×3. 36 mianadahy izy ireo no voaantso.
18 lahy sy 18 vavy no miatrika fampivondronana hitilina izay handrafitra ny lisitra farany hiatrika ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny taranja basikety. Tazana tao anaty lisitra, ho an’ny sokajy lehilahy, Rabibisoa Jerry Pepin, izay mpilalao tokan’ny Ankoay U19. Mpilalao 6 avy amin’ny COSPN, 4 ny GNBC, 1 avy ny BCB, SBC, Cosfa ary 1 kosa ny mpilalao mila ravinahitra avy any ivelany (Frantsa). Anisan’ny ao anaty lisitra ihany koa ireo mpilalao 4 mirahalahy niatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany, basikety 3×3, natao tany Autriche farany teo, izay antenaina fa ireo ihany no hisolo tena ny Malagasy amin’ny basikety 3×3 mandritra ny lalaon’ny Nosy.
Ao anaty lisitra Rakotobe Kristina
Ho an’ny sokajy vehivavy kosa, mitana ny isa betsaka indrindra ao anaty lisitra ny ekipan’ny MB2All Analamanga, izay misy mpilalao 8. Anisan’izany, Rakotobe Krisitina, milalao any Etazonia amin’izao fotoana izao. Ahitana mpilalao 3 avy amin’ny GNBC sy TGBC, 2 avy amin’ny Ascut ary 1 avy ny an’ny JEA sy Ankaratra, ao anaty lisitra. Toy ny an’ny sokajy lehilahy, tafiditra ao anaty lisitra daholo ihany koa izy 4 mirahavavy, niatrika ny fifanintsanana ny fiadiana ny amboara eran-tany basikety 3×3. Efa tazana nikotrana niaraka tamin’ny manam-pahaizana avy amin’ny FIBA, Coach Naoufal, teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ireto mpilalao ireto, nanomboka tamin’ity herinandro ity. Efa mandray ny andraikiny ihany koa amin’ny fanomanana sy fanomezana torolalana ny ekipa malagasy, ireo mpanazatra isan-tsokajiny voatendry hitantana ny mpilalao amin’ity lalaon’ny Nosy ity.
Mi.Raz