Manodidina ny 4 hatramin’ny 10 isan’andro ireo olona tonga mikarakara volo eny anivon’ny botika sy trano fanaovam-bolo eto an-dRenivohitra. Miakatra na mihena io isa io miankina amin’ ny vanim-potoana.
Manodidina ny 25 000 hatramin’ny 100 000 Ariary ny saran’ny fikarakarana volo eny anivon’ny botika matihanina arakaraka ny volon’olona. “Eo anelanelan’ny roa hatramin’ny 60 taona ireo voasarika hanao volo”, hoy ny tompona botika iray, eny Antsakaviro, Ravelonarivo Malala, raha nanontaniana, omaly. Lehilahy no betsaka manao izany amin’izao vanim-potoana izao. “Tia manao volo natoraly izy ireny ary mahavatra manatona toerana matihanina mihitsy”, hoy hatrany izy. Mety haka aina sy hanala havizanana ary hanotra ny lohany fotsiny koa no andalovany any.
Ankoatra izay, tia mandoko volo ny ankamaroan’ny Malagasy, indrindra ny vehivavy, raha ny zava-misy. “Manara-damaody ary miala amin’ny mahazatra ny antony naharisika ahy hanao izany”, hoy i Fabienne. “Mandoko ny volo fotsy amin’ny loko mainty aho ary manao izany indroa ao anatin’ny iray volana”, hoy i Claire. Ahitana akora simika ny vokatra fampiasa handokoana volo amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavana. Miteraka voka-dratsy eo amin’ ny vatan’olombelona izany na ho ela na ho haingana. Misakana ny fanirian’ny volo sy mampalemy haingana azy ny fandokoana volo matetika. Miteraka “allergie” eo amin’ny olona koa. Manimba sy mampamaina ny hodi-doha ihany koa. “Miditra any anaty ra ny akora simika raha atao mivantana eo amin’ny hodi-doha”, hoy hatrany Ravelonarivo Malala. Mahatonga aretina hafa (homamiadan’ny ra, fikorontanana eo amin’ny fiasan’ ny sela…) izany. Nilaza izy fa tsara raha mampiasa vokatra natoraly mba tsy hanimba olona sy hahasimba ny volo. Misy maha samihafa azy avokoa ny akora na dia natoraly aza.
Tsy fahazakana volo miloko
“Nisedra olana vokatry ny tsy fahazakana fandokoana volo no antony nananganana orinasa”, hoy Ravelonarivo Malala. Nolokoiko mena ny voloko tamin’ny 2019, tamin’ ny faha enin-taona ny zanako. “Niongitra be izany afaka andro vitsivitsy taty aoriana ary saika tsy nisy intsony”, hoy izy mitantara. Nitady akora mety amin’ny volo ary tsy nahazaka afa-tsy akora natoraly sisa taorian’izay. Nieritreritra ny akora nahafa-po sy nanampy hitsabo ny voloko aho nanomboka teo. Niainga teo ny orinasa kely, tamin’ny alalan’ny fanamboarana “shampoing solide” avy amin’ny zava-maniry.Tao an-dakozia no toerana nanamboarana azy. Nampijanona ilay volo nihintsana sy nampahasalama ny volo tanteraka izany. Nanomboka nivarotra tany anaty tambajotra sosialy tamin’ny voalohany. Nivoitra tsikelikely izany taty aoriana ka nahatsangana botika.
Volo natoraly
Anisan’ny botika iray mikarakara sy manampy ny olona ho tia volo natoraly ny Mousseux sy mandam, etsy Antsakaviro. Tanjona ny hamoaka ny hatsaran’ny volo natoraly amin’ny alalan’ny fitsaboana sy fampiasana ireo akora natoraly. Tsy maintsy atao « diagnostique » ny volo rehefa tonga hikarakara izany ny olona iray. Mba hamantarana ny olana mahazo sy ny fandraisan’ny volo ny akora ampiasaina… Sasana ny volo avy eo, ary horina amin’ny rantsan-tanana
ny hodi-doha. Mba hanalana ireo akora ratsy rehetra nisy tamin’ny volo. Manao “démêlage”, sy manisy “masque” ny volo. Karakaraina amin’ny alalan’ny “soin à la vapeur”
ny volo raha toa ka tsy mandray “soin” mihitsy. Mandalo “stelling” na “coiffage”. Mba ahafahana mamoaka ny volo ho lasa natoraly.
Mora marary sy misy fiantraikany ratsy amin’ny volo ny sokajin’olona sasany amin’ny fampiasana akora isan-karazany. Toy ireo vehivavy mampinono, bevohoka, misy aretin’ aty, voan’ny homamiadana, simba volo vokatry ny fanaovana “brushing” sy fandokoana volo… Manampy ny olona hitia volo natoraly izy ireo. Efa maro ny tanora tia sy faly manana ny volony ho natoraly ka mahalana amin’ny fisintomana ny volo.