Navoakan-dRakotondrabe Romuald Felix na i Rôrô, mpanazatra ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar hanao ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, taranja baolina kitra. Fifaninanana goavana aty amin’ny ranomasimbe Indianina, hotanterahina eto amintsika ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy jzao. Miisa enina ireo mpilalao mila ravinahitra, anisan’izany i Ando Manoelantsoa, Ramanjary Theodin, Raheriniaina El Hadary, Rakotoarisoa Baggio, Andriamananjato Rojo. Ankoatra izay, nantsoina ihany koa i Vévé sy Fabrice, mpilalao Fosa Junior. Marihina fa voatazona ao anatin’ity lisitra ity avokoa ireo mpilalao nisongadina tamin’ny « Chan Algérie 2022 », toa an-dry Tsiry kely, Jean Yves, Tendry, Lalaina, Nina, Dax, Donga. Ankoatra an ‘i Nina sy i Fabrice, nantsoin’i Coach Rôrô ihany koa Razanamparany Tsitohaina, mpiandry harato AS Fanalamanga.
Fitia