Kitra – Lalaon’ny « Francophonie » : mbola tsy misy ny fampivondronana ny Barea U20

Afaka roa herinandro dia hanomboka ny fifaninanana ho an’ireo firenena miteny frantsay “Jeux de la Francophonie”, andiany faha-9. Lalao hotanterahina any Kinshasha, RD Congo, ny 28 jolay-6 aogositra. Tsy mbola misy resaka ny fampivondronana ny Barea U20, taranja baolina kitra. Rehefa natao ny fanadihadiana teny amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), miandry ny fanapahan-kevitra raisin’ny fanjakana izy ireo vao afaka manantanteraka ny fampiantsoana mpilalao.
Tsara ny mampahafantatra fa efa ho roa volana izay no nanomanan’ny FMF ity fifanintsanana ity. “Miezaka foa­na izahay ny mampahatsiahy ny fanjakana, saingy milaza izy ireo fa tsy mbola misy resaka mahakasika izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny Ta­nora”, hoy ny FMF.
Tsiahivina fa mpilalao 20 mirahalahy no mandrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar U20, hifaninana amin’ny taranja baolina kitra. Miisa 16 ireo zandrikely avy eto an-toerana, raha toa ka 4 ny mpila ravinahitra.
Marihina fa ao amin’ny vondrona “A” no misy ny Malagasy, miaraka amin’i RD Congo sy i Congo ary i Canada. Tsara ny mampahatsiahy fa i Aboudou Amada no mpanazatra ny Barea zandriny. Ankoatry ny lalaon’ny Francophonie, mandray anjara amin’ny Cosafa U20 ihany koa ny Barea zandrikely.

Zongye

Partager sur: