Natioramena Narda no anarany. Natiora kosa no solon’ anarana entiny eo amin’ny asa soratra sy asa sary. Mpanoratra, poeta ary milomano ao anatin’ny teny satria mpampianatra ny taranja Malagasy, Anglisy ary Frantsay izy. Namolavola an’i Natiora ho tonga mpanoratra ny fahazazana teny ambanivohitra, henika tsianjery sy famoronana kilalao ary asa aman-dalao eny an-tsaha sy ao an-tanàna. Teo koa ny vaky boky sy ny fitantarana angano, ny fihainoana tononkalo hantsaina amin’ny onjam-peo, ny taranja malagasy tany an-tsekoly ary ny Baiboly.
Teo amin’ny faha-13 taonany no namorona adiady rima tamin’ny tononkalom-pitiavana sy fihirana ny zava-boaary izy. Nanomboka ny taona 2009 no nanoratra sombin-tantara, tantara fihaino ary angano.
Nandray anjara tamina fifaninana sombin-tantara, ka nahazo ny loka fahatelo avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ny “Fanafodim-pahantrana”. Nahazo ny loka Tranomboky Siméon Rajaona ny tononkalo “Ampitao ny fahalalana”, ny taona 2021. Santionany ihany ireo, fa efa nandray anjara tamina fifaninana iraisam-pirenena koa i Natiora.
Raha ny sanganasany indray, namoaka ny amboaran-tononkalo: “Alaalan’elo” ny taona 2020. “Kira an-kira” ny taona 2011, Amboaran-tsombin-tantara “Fararano” ny taona 2014. Teo amin’ny tantara fihaino, namoaka maromaro toa ny “Namana sa fahavalo?” sy ny, “Lahatry ny sitrapo” ny taona 2010, sns.
Nangonin’i Zo ny Aina