Mandalo eto Madagasikara ny tarika Exo. Seho faharoa notontosainy ny tetsy Antsahamanitra, ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny ankapobeny, rakotra fihetseham-po ity fampisehoana «Ho tonga anie ny fanjakanao ity». Na, ireo teny an-tsehatra (mpitendry zavamaneno, mpihira, mpandihy). Na, ny mpijery tonga maro teny an-toerana. Samy nanjakan’io fihetseham-po io avokoa. Tao ireo nanganohano, nilatsa-dranomaso… Nihira mafy tamin’ny fony nandritra ny «Ta bienveillance», «Je veux n’être qu’à Toi», «Si tu veux le louer»…
Tsikaritra ilay fisian’ny fanomanana sy famerenana matanjaka teo amin’ny tarika Exo sy ireo niaraka taminy teny an-tsehatra. Tazana ny fahazarana miaraka eo amin’ny mpitia ny sanganasan’i Chris sy Laura Christensen. Tsy zoviana eto Madagasikara rahateo ny tarika Exo, satria, efa nisy fotoana nandalovany sy nanaovany fampisehoana teto (taona 2001, 2003, 2018). Malagasy avokoa ireo mpitendry manaraka azy mivady ireto.
Tazana teny Antsahamanitra avokoa ny sokajin-taona rehetra. Tahaka izay ihany koa ny teny an-tsehatra.
HaRy Razafindrakoto




