Fitaizana zokiolona : mandositra adidy ny zanaka noho ny fahasahiranana

Manomboka mandefa ny ray aman-dreny eny amin’ny toerana mitaiza zokiolona ny Malagasy. Tsy kolontsaina saingy noho ny fahasahirana no voalaza fa mahatonga izany.

Manomboka eo amin’ny faha-65 taonany. Azo lazaina ho zokiolona ny olona iray rehefa mila fanampiana sy tohana eo amin’ny fianakaviany sy ny fiarahamonina, raha ny namba­ran’ny fikambanana iray. Aterin’ny zanaka eny amin’ny ivontoerana natokana amin’izany ny zokiolona, noho ny fahasahiranana amin’ny fikarakarana azy ireny.
“Mbola tsy laharam-pahamehana ho an’i Madagasikara ny fanaterana ireo zokiolona eny anivon’ny ivontoerana voatokana amin’izany”, hoy ny filoha mpanorina ny Fimi­beama, Nomena Fahefana, raha nanontaniana teny Ambodivondava Alasora, omaly. Nilaza izy fa tsy mbola tafiditra anatin’ny kolontsaina sy tsy sahaza ho an’ny Malagasy ny fanaovana izany. Misy ihany anefa ireo Mala­gasy mandefa ny ray aman-dreniny eny anivon’ny ivontoerana mikarakara izany eto Madagasikara, raha ny zava-misy. Ny fahasahiranana sy ny asa aman-draharaha mahazo ny zanaka ao an-tokantrano ny antony, amin’ny ankapobeny. Sokajin’olona tsy dia sahirana sy manan-katao amin’ny ara-bola no be­tsaka manatitra azy ireny eny anivon’ny fikambanana na ivontoerana maro samihafa. Misy ihany ireo zokiolona mihitsy no tonga manatona eny an-toerana. Misy teren’ny fianakaviany kosa ny sasany. Fomba iray hamerenana ny hasiny sy ny zony ary ny maha izy azy ny zokiolona ny fandraisana an-tanana azy ireny eny anivon’ny ivontoerana iray fa tsy toerana hanariana ireo ray aman-dreny, raha ny fanazavana. Tanjona ny hampitoniana sy hampihenana ireo karazana tsy fahala­vorariana mianjady aminy. “Tazomina sy hampitomboina ny zavatra tsara ao aminy ka ahafahany miaina ara-dalàna toy ny olona rehetra”, hoy hatrany izy.
Asa mila fikirazana sy fitiavana

“Entanina ny isan-tokantrano ho tia sy hahay hikarakara ary hanaja ny ray aman-dreniny”, hoy hatrany izy. Tsy maintsy mitombo foana ny isan’ny zokiolona ka tokony hahay hiatrika izany ny tsirairay. Azo atao ny manisy solontenan’ny fiarahamonina miandraikitra ireo zokiolona rehetra eny anivon’ny toerana iray. Ifandimbiasana ny an­draikitra sy ny fanaraha-maso ary fikarakarana isan’andro. Azon’ny ankohonana atao koa ny mifandimby mikarakara azy ireny ao an-tokantrano. “Mila atao am-pitiavana ny asa rehetra mba tsy hitarika herisetra ara-tsaina ho an’ny zokiolona”, hoy izy. Hialana, araka izany, ny fihetsika mifono fahatezerana, teny feno fanambanina, endrika rikoriko manoloana ny maloto… Mba hahafahana manampy azy ireny amin’ny sehatra maro. Ankoatra izay, ampiana hanetsika vatana isa-maraina ny zokiolona. Asaina miala voly (mandihy, mihira, mijery fahitalavitra, miresadresaka… Hoentina mivoaka sy mandehandeha any ivelan’ny trano, mijery natiora, hoentina mivavaka any amin’ny fiangonana tiany. Omena sakafo, ampandroana sy diovina, omena fanafody raha marary…

Mandany hatramin’ny 7 hetsy Ar ny sasany

Anisan’ny ivontoerana mandray an-tanana ny zokiolona eto amin’ny Nosy ny Fikambanana mikarakara beantitra eto Madagasikara (Fimibeama) etsy Ambodivondava Alasora. Tsy misy sandam-bola raikitra ny fikarakarana ireo zokiolona tonga eny an-toerana. Misy mandoa 7 hetsy, 5 hetsy, 1 hetsy mahery ny fianakavian’izy ireny, arakaraka ny hifanarahan’ny roa tonta sy ny fepetra takiana, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny Fimibeama. Anjara andraikitr’izy ireo ny hamerenana ireo zokiolona eny anivon’ny fiarahamonina indray.
«Sahirana amin’ny asa aman-draharaha avokoa ny zanako rehetra ka antony nandehanako taty amin’ny ivontoerana toy izao”, hoy Ramarotia Aline Fleurette, 84 taona. Nifampiresaka izy sy ireo zanany talohan’izany. «Tsy nalahelo aho satria mamangy ahy matetika aty ireo zanako ireo”, hoy izy. Tonga isaky ny fety, fankalazana tsingerin-taona… Fialamboly tiany sy hanalany andro ao amin’ny fikambanana ny mamaky boky sy mihira ary mivavaka.

Partager sur: