Haisoratra : nivoaka ny amboara “Angolam-pitia” nosoratan’i Riadiana

Velona ny haisoratra, rehefa misy mamelona: ny mpanoratra. Mivoaka ny amboaran-tononkalo “Angolam-pitia” nosoratan’i Riadiana.

Ela ny ela, nivoaka ny amboaran-tononkalo nosoratan-dRampanana Raymond na i Riadiana. Efa aty amin’ny faha-55 taona nanoratana izany. Tamin’ny taona 1968 izy no nanomboka nanoratra. Boky voalohany io: misy tononkalo 93, takila 120. Izany aza, mbola vitsy no natonta: 100. Nefa maro sampaho azo otazana ao.
“Manatevina ireo laharan-tsangambato mijoalajoalan’ny asasoratra kanto mihira ny fitiavana ny “Angolam-pitia”. Ma­nan-talenta marolafy Rampanana Raymond. Anisan’izany ny fikabariana, ny famoronan-kira. Farany, inoako fa amboaran-tononkalo hanamarika ny haisoratra malagasy ankehitriny ity “Angolam-pitia” ity”, hoy ny mpikambana ao amin’ny Akademia Malagasy, Ranjatohery Harilala A., ao amin’ny Teny mialoha.

Velona… mamelona ny soratra sy teny
Tsy vaovao eo amin’ny tontolon’ny haisoratra i Riadiana. Araka ny “Tsetsatsetsa tsy aritry” ny mpanoratra Thierry Raonizanany, nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana nampanaovin’ny Sampana teny sy lahabolana ary riba malagasy (Stelarim) izy, 1990. Anisan’ny nahazo ny mari-pankasitrahana ny “Asa soratra mendrika” tamin’ ny fifantenana asa soratra “Ranto 95”, nampanaovin’ny Stela­rim, 1995, tamin’ny amboaran-tononkalo “Haika”,
“Tsy àry ho voatanisa ny harena mameno ity fehezan-tononkalo ity fa ny hanentanako anao dia ny hanjohy hatramin’ny voalohany hatramin’ny farany ny tononkalo voalahatra ato. Izaho aloha dia resy lahatra fa ireto ainga ireto no voalazan’ny Ntaolo hoe: “Tsy mba misy faikany aloa ary tsy mba misy hodiny atsipy”, hoy kosa ny poeta-mpikabary-mpampianatra, Ranöe.
“Maneho amin’ny endrika hafa, kanto, miaina… tsy hain’ny hafa lazaina nefa isiany sy iainany ny soratra. Manetsika sy mamelona ny aim-panahiny amin’izay takany sy tsaroany amin’izany: tsy izy irery no miaina izay mahazo azy; eny, na izay mafy sy sarotra indrindra aza. Misy hafa any ho any miaina toy izany… Izay ny soratra, ladina faroratra mampifaningo-panahy ny mpamaky sy ny mpanoratra, tsy resin’ny elanelana sy ny fotoana”, hoy Rafalindranto Ramy, ao amin’ny “Tsikaritra tsy aritra” mamarana ny boky.

R. Nd.

Partager sur: