Shelby Florent – Waka Waka Festival: “Te hanome sehatra ho an’ny mpanakanto afrikanina izahay”

Mandalo eto Madagasikara amin’izao fotoana izao i Shelby Florent. Izy no tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Shelby Production, mpikarakara ny “Waka Waka Festival” rehetra any ivelany sy eto. Nisy ny resadresaka fohy nifanaovana taminy.

Gazety Taratra (*): Inona no anton’ny nisafidianan’ny Shelby Production an’i Mada­ga­sikara, sy i Sambava manokana, handray ny “Waka Waka Festival”?

Shelby Florent (-): Voalo­hany indrindra, te hanome sehatra ivelaran’ny afrikanina mpanakanto izahay. Te hampiakatra ny zavakanto afrikanina eo amin’ny lalam-barotra any ivelany. Izaho ivoarianina, kanefa monina any Eoropa, any Danemark ary mivezivezy any France sy ireo firenen-kafa maro. Nanomboka ny taona 2008 no nisy ny “Waka Waka Festival”, izay natao hampiarahana an-tsehatra ny mpanakanto afrikanina sy ny ao Danemark tamin’izany. Niitatra teo ny hetsika, ka lasa nisy any France, sns.
Nandritra ireny fihaonana rehetra ireny no nahafantarako ihany koa an’i Madagasikara sy ireo Malagasy mpanakanto, mpihira sy mpandihy. Nisy fotoana niompana tamin’ny fampahafantarana ny dihy afrikanina koa mantsy ny “Waka Waka”. Nahita ny talentan’ireo Malagasy izahay ka nitsiry ny hevitra hanitatra aty. Fa maninona no i Sambava? Satria nahitanay fiaraha-miasa akaiky kokoa ka tsy nanano sarotra ny fanatontosana ny andiany voalohany, tamin’ny taon-dasa. Nanome fitokisana anay i Sambava, ka valianay izany.

*Toy ny ahoana ny fisafidiananareo ny mpanakanto, satria somary nampametra-panontaniana ny maro ihany ilay hoe Grand P tamin’ny taona lasa?
-Toy ny “festival” rehetra, misy dingana lalovana tsikelikely vao tena mipetraka ny anarana. Izay mpanakanto efa niara-niasa taminay aloha no nametraka fitokisana tamin’ny Shelby Production, ka anisany i Grand P. Tonga teto Madagasikara izy iny, ary hampanantenainay fa tsy maintsy ho avy ry TNT sy ny Jean Jacques B avy any Côte d’Ivoire. Fa izao koa: hanokatra lalana hovan’ireo Malagasy mpanakanto, izay maharesy lahatra anay koa ny Shelby Production, mba handray anjara amin’ny “Waka Waka Festival” any ivelany.

Nangonin’i Zo ny Aina

Partager sur: