Manohy ny fanandratana ny kanto sy ny kolontsaina, amin’ny alalan’ny seho an-tsehatra ny Iray Fy’Art. Mitety faritra izy ireo. Anjaran’ny eny Imerintsiatosika sy ny manodidina indray ny mahita mivantana ireo mpilalao tantara amin’ny onjam-peo. Hovelomin-dry zareo an-tsehatra ilay tantara “Anjara voasedra” nosoratan’i Niravo Randria. Maneho ny fiainana andavanandro sy ny olan’ny fianakaviana ary ny fifanjevoan’ny fitiavana. Ho hita amin’izany koa ny fampihomehezana sy ny lesona ho an’ny fanabeazana ary ny sedram-piainana lalovana. Ao koa ny hira gasigasy, hanehoan’izy ireo talenta sy ny fahaiza-manaony amin’ny kanto. Hanomboka amin’ny 1 ora atoandro ity tantara an-tsehatra hotanterahina eo amin’ny Sahaza Stadium Tankady ny alahady 23 jolay ho avy izao ity.
Hifanakaiky kokoa amin’ireo mpankafy ho avy amin’io fotoana io ry Rakoto, Faly, Synèse, Antsaravaka ary i Niravo. Hisahana ny lafiny teknika, fandrindrana ny sehatra ary hitondra ny fanentanana i Bruno Rakotomalala. Tompon’ andraikitra amin’ny fanatontosana sy fikarakarana izao seho izao ny Mavitrika Pro.
HaRy Razafindrakoto