Very fanantenana tanteraka ny Malagasy mpitia baolina kitra. Tsy anisan’ireo taranja handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny “lalaon’ny Frankofonia”, izay hotanterahina any Kinshasa, RD Congo, ny 28 jolay- 6 aogositra, ny baolina kitra. Araka izany, mijanona eto an-toerana ny Barea de Madagascar U20. Banga iray izany ny vondrona A misy ny Barea, hiady ho lohany ao izany i RD Congo sy i Congo ary i Canada. Araka ny fanadihadiana natao omaly, miisa dimy ihany ny taranja nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo. Anisan’izany ny basikety sokajy vehivavy, tensy ambony latabatra, atletisma, tolona, Judo.
Tsara marihina fa efa ho roa volana ny ekipam-pirenena Barea zandriny no nanao fanazarantena. Ankoatra izay, nisesy loatra ny tsy fandraisana anjara tamin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena ho an’ny Barea. Toy ny Beach Soccer, tsy afa-nanatrika ny “Jeux Africains de la plage” sy ny Cosafa zokiny“senior”.
Marihina fa miisa 78 ireo olona mandrafitra ny delegasiona malagasy miatrika ity lalao ity. Miisa 34 ny atleta, 14 teknisianina “encadreur”, mpanakanto 22 sy ireo “encadreur” roa, miampy ireo solontenam-panjakana enina.
Tsara ny mampatsiahy fa aorian’ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay hatao eto amintsika, ny 25 aogositra – 3 septambra, dia hisy lalao iraisam-pirenena roa miandry ny Barea.
Fitia




