Basikety – “Road to Bal 2027”: Nohatevenina mpilalao afrikanina roa ny COSPN

Handray anjara, hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny Road to Bal, taranja basikety, ny COSPN. Mikendry ny hahazo ny toerana roa voalohany, hahazoana miatrika ny “Elite 16” izy ireo. Mba hahatratra ny tanjona, niantso mpilalao afrikanina roa hanatevina azy.

Anisan’ireo firenena handray anjara amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny Basketball Africa League (Bal 2027) ny ekipan’ ny polisim-pirenena (COSPN). Araka izany, hifaninanana amin’ny dingana voalohany amin’ny Road to Bal, kara­karain’ny Fiba Afrique hatao any Hoima City, Ouganda, ny 21 – 25 oktobra ho avy izao, izy ireo. Manoloana izany, nampahafantarin’ny tomponandraikitra tamin’ny mpanao gazety, tetsy Mahamasina, omaly, fa nohatevenina mpilalao afrikanina miisa roa izy ireo. Anisan’izany ilay An­goley, i Jorge Filipe, mpilalao fahiny tao amin’ny Petro de Luanda, 2, 08 m, mitana ny toeran’ny “pivot”. Eo koa ilay Nizerianina, i Ikena Okeke, mirefy 2, 01 m, tao amin’ny Naestved Danemark “meneur”. Ireo toerana roa ireo izay olana ho an’ny basikety ma­lagasy, araka ny nambaran’i Tojo, mpanazatra, ka antony nakana azy roa lahy ireto. Ao amin’ny vondrona “D”, amin’ ny diviziona atsinanana, ny COSPN, miaraka amin’ny Na­muwongo Blazers Ouganda, ny Uranani Basketball Club Burundi, ny Patriots Basket­ball Club Soudan Atsimo. Niala an-daharana kosa ny Ushundzi Basket avy atsy Comores. Tanjon’ny COSPN ny ho tafiditra roa voalohany, hahazoany ny tapakila hiatrehana ny dingana faharoa. Hivondronan’ireo “Elite 16” izany, ka hifanintsana any Kenya, ny 17 – 22 novambra. Tafita hiatrika ny Bal 2027 ny ekipa mahazo vokatra tsara indrindra. Hanainga ny talata 20 oktobra ho avy izao, ity ekipa Malagasy ity.

Tompondaka

Ireo mpilalaon’ny CosPN

1-Livio (Kapiteny) 2-Orlando ; 3-Lomario ; 4-Hasina ;
5-Arnol ; 6-Antohony ; 7-Riza ; 8-Marco ; 9-Stanlei ;
10-Solomon ; 11-Jorge Felipe ; 12-Ikene Okeke
Mpanazatra : Rasamoelina Tojo

Partager sur: