Tsy mbola nifarana eo. Mangata-panazavana amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana momba ny siansa ny loholona MMM, manoloana ny fiverimberenan’ny fivoahan’ny laza adina Bakalorea.
Nohitsin’ny fanambaran’ny antoko Malagasy miara-miainga fa tranga efa niseho teto amin’ny firenena nandritra ny taona maro nifanesy izany. Anisan’izany ny tamin’ny taona 2019 nefa izao mbola niseho izao indray. “Andrasanay ny fanazavana mazava avy amin’ny minisitera mpitantana”, hoy ny teo anivon’ny Tanora Malagasy miara-miainga (TMMM), amin’ny alalan-dRamanitrarivo Iavoko .
Efa nametraka taratasy fangatahana fanazavana any amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana momba ny siansa manolona ny korontana amin’ny fivoahan’ny laza adina mialoha ny fotoana, izy ireo. Niainga avy amin’ny loholon’i Madagasikara voafidy tamin’ny alalan’ny MMM, sady filoha ny kaomisionina sosialy, kolontsaina sy serasera eo anivon’ny Antenimierandoholona, no nametrahana izany fangatahana fanazavana, ny zoma teo.
Famotehana ny ho avin’ny tanora
Nambaran’ny mpikambana eo anivon’ny TMMM hatrany fa famotehana an-kitsirano ny ho avin’ny tanora sy ny taranaka ny fomba fiasa tahaka ny nitranga tamin’ny fanadinana Bakalorea ireny, araka ny fanazavany. “Tsy tamin’ity taona ity ihany fa efa nisy koa ny fivoahana laza adina mialoha, tamin’ny taona 2019. Misy ny lesoka tokony harenina sy ny fanatsarana ny fikarakarana ny fanadinam-panjakana fa indrindra ny fanatsarana ny sehatry ny fampianarana amin’ny ankapobeny”, hoy ihany ny avy amin’ny TMMM. Nohitsiny fa misy andraikitra tokony horaisina, manoloana ireny tranga ireny ary tsy tokony ho afa-bela ireo tompon’antoka.
Synèse R.




