“Efa ankatoky ny fifidianana isika izao, tsy te hahita krizy intsony isika eto Madagasikara. Leo korontana sy fanapotehana ny vahoaka. Mankany amin’izany fanapotehana izany ny teti-dratsin’ny mpanohitra”. Io ny fanehoan-kevitry ny loholona Ramanambitana Richard, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao.
Efa nohazavain’ny filohan’ny Repoblika ny momba ny fizakany zom-pirenena hafa. Hatramin’izao, mbola tohizin’ny sasany ihany… Fanakorontanana koa ny fitarihana olona hidina an-dalambe fa hoe efa malemy ny fitondram-panjakana. Tsy azo ekena ny hisian’ny ra mandriaka amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, ka hoe hidina an-dalambe.
Tsy any amin’izany fiaraha-mitantana izany intsony izao. Tsy mitovy ny toe-javatra politika tamin’ny 2018 sy ny amin’izao. Ny lalàm-pifidianana tamin’izany ihany no hiatrehana fifidianana amin’ity. Ny dikan’izany: andrasana ny fifidianana ara-dalàna apetraky ny Ceni. Mitady ny fomba rehetra handemena ny fitondram-panjakana ny mpanohitra. Misy teti-dratsy aely eto amin’ny firenena tsy hahatomombana ny asan’ny fitondram-panjakana sy ny fifidianana.
Rehefa tsy azo amin’ny fidinana an-dalambe ny vahoaka, tsy azo amin’ny fanakorontanana, tsy azo amin’ny fiaraha-mitantana tsy mitady ny tombontsoam-bahoaka. .. Midika izay fa tsy mety eto amin’ny firenena izany.
R. Nd.




