Antoko Hiaraka isika : manohana ny eny ifotony, nanampy ny kaominina Dabolava

Nanolotra fanitso ho an’ny EPP any amin’ny kaominina Dabolava, any amin’ny distrikan’i Miandrivazo, faritra Menabe, ny herinandro teo, ny antoko Hiaraka isika. Ra­van’ny rivodoza farany teo izany ka izao nitondra ny anjara birikiny izao ny ekipan’ny Jly Camille Vital. Tsy vitan’izany fa teo koa ny nanomezan’izy ireo fanamiana ho an’ny polisim-bohitra, ahitana fanamiana sy kiraro. “Tafiditra amin’ny fanohanana ny ezaka ataon’ny tomponandraikitra eny ifotony izao hetsika izao ary hampirisihina azy ireo amin’ny fampandrosoana”, hoy ny solontenan’ny antoko Hiaraka isika.

Tamin’ny fandalovan’ny jeneraly Camille Vital tany an-toerana, tamin’ny volana desambara 2022, no nanaovan’ireo vahoaka tao anatin’ ny kaominina izany fangatahana izany. Naneho fialantsiny noho ny fahataran’ny famaliana ny fangatahana, araka izany, ny filoha nasionalin’ny antoko ary nampita ny firariantsoa ho an’ny vahoaka manontolo ao anaty kaominina Dabolava.

Tsiahivina fa anisan’ny manan-karena ny any Da­bo­lava ary anaovan’ny Hiaraka isika fanamby hatrany ny fanohanana azy ireo. Tafiditra ao anatin’ny asa sosialy efa fanaon’ny antoko izao hetsika izao sady fanamarihana fa eo akaikin’ireo mpikambana ma­nerana ny Nosy hatrany ny Hiaraka isika.

Synèse R.

Partager sur: