JPRM : “Tsy fotoana fidinana an-dalambe intsony izao”

Manoloana ny mbola fisian’ny adihevitra momba ny fizakan’ny filoha zom-pirenena vahiny, nitondra ny heviny ny avy ao amin’ny vovonana Jeunes patriotes révolutionnaires malagasy (JPRM).

“Tsy fotoana fidinana an-dalambe intsony izao hoe hitaky ny tsy haha kandidà an-dRanona na Ranona. Aoka ny vahoaka malagasy haneho ny safidiny amin’ny alalan’ny fifidianana.” Io ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra ny vovonana Jeunes patriotes révolutionnaires malagasy (JPRM), Rakotoarijaona Jerry, manoloana ny mbola fisian’ny adihevitra ny amin’ny fizakan’ny filohan’ny Repoblika zom-pirenena vahiny.
Politika famoronana krizy no ataon’ny mpanao politika, izay efa mila fanovana. Tsy tokony hoeken’ny taranaka ankehitriny izany. Taranaka ho amin’ny fampandrosoana no tokony hisy amin’izao. Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) iha­ny no manapaka amin’ny foto­ana farany izay ho kandidà hiatrika ny fifidianana filohan’ ny Repoblika.
“Mahagaga ny fisian’ny olona miteny hoe misy jadona eto”, hoy izy. Nefa vao afa-miteny hoe tsy misy demokrasia, efa demokrasia ny fahazoana miteny an’izay. Angaha rehefa tsy afa-midina an-dalambe dia izay no atao hoe tsy misy demokrasia. Inona koa anefa no hidinana an-dalambe? Tapitra ny fahalalahan’ny tena, rehefa manomboka ny fahalalahan’ny hafa.
Jereo amin’ny lalao baolina kitra, ohatra, mbola manakorontana eny ambony kianja ve ny ekipa mandresy? Ny ekipa resy no mitady ady; farafaharatsiny, rava ny lalao. Mba hihemotra amin’ny fotoana manaraka izany, hakany ba­hana tsara indray.

R. Nd.

Partager sur: