Mitohy hatrany ny lonilony sy ny ady an-tranon’ireo mpanohana ny filohan’ny Repoblika. Voakasik’ity areti-mifindra ity ny IRD sy TGV ao Toamasina.
Tsy takona hafenina intsony fa vaky tanteraka ny ady eo amin’ny samy mpanohana ny filohan’ny Repoblika eto Toamasina sy ireo mpiray lisitra tamin’ny ben’ny Tanàna aty an-toerana. Nifamaky bantsilana teny anivon’ny haino aman-jery sy ny tambajotran-tserasera ireo mpanolotsaina mianadahy mpikambana anivon’ny filankevitra kaominaly, mpanolotsain’ny minisitry ny Mponina iray andaniny. Raha ny ben’ny Tanàna sy ny tale vitsivitsy miaraka aminy kosa, ankilany.
Nohitsin’ireo mpanolotsaina tamin’ny haino aman-jery fa tsy ara-dalàna ny fitantanana ny kaominina sy ny endrika kolikoly, halatra, fanodinkodinana, hitan’ izy ireo. Nitafy henatra sy baraka tanteraka ny kaominina raha ny voalazan’izy ireo. “Nijapy lamasinina ireo mpitantana fa tsy IRD/TGV akory”, hoy izy ireo.
Mpijapy lamasinina
Tsy niandry ela, nametraka fitoriana teny amin’ny prefektiora sy ny governoram-paritra Atsinanana ny teo anivon’ny kaominina. Voaantso teny ny andaniny sy ny ankilany. Naharitra ora maromaro ny fifampiresahana, tsy azon’ny mpanao gazety natrehina. Raha ny vaovao voaray tamin’ny loharanom-baovao iray, nohamafisina ny tokony hanajana ny voninahitry ny filoha mpanorina ny antoko sady filohan’ny Repoblika. “Tsy mora ny miandry antsika amin’ny hampandaniana azy indray amin’ny fifidianana”, hoy izy ireo. “Teo koa ny fahenoana fa mety ho tonga amin’ ny fandraisana andraikitry ny solontenam-panjakana ny raharaha rehefa tsy hifanaja”, hoy hatrany ny loharanom-baovao.
Andrasana, araka izany, ny ho tohin’izao fivakisan’ny samy mpanohana ny filoha izao.
Sajo sy i Synèse R.




