Higadona tsy ho ela eto Madagasikara ireo nosy rahavavy mandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023 andiany faha-11. Efa nahafeno ny fepetra avokoa izy ireo.
28 andro tsy higadonan’ny lalaon’ny Nosy hatao eto Madagasikara, nanamafy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja, fa ho avy daholo ireo nosy mpandray anjara miisa 6. Ahitana an’i La Réunion, Maurice, Maldives, Comores, Mayotte ary Seychelles. Efa nahavita ny fisoratana anarana sy nandefa ny lisitry ny delegasiona ho avy eto avokoa ireo nosy rahavavy 6 ireo.
Midika izany, hoy ny minisitra, fa raikitra ary hizotra tsara ny lalaon’ny Nosy, izay hatao ny 23 aogositra hatramin’ny 3 septambra ho avy izao. Vao andro vitsy no nandalo teto ny delegasiona renioney, izay iraka manokana nalefan’ izy ireo, hijery ny fandrosoan’ ny fikarakarana sy ny fandraisan’i Madagasikara ity lalao ity, naharitra telo andro.
Mialoha ny nialany teto, naneho ny fahafaham-pony ry zareo, ka andro vitsy monja taorian’izay, namoaka ny lisitry ny delegasiona, izay miisa 452. Efa fantatra koa fa ho avy eto amintsika ireo iraka manokana ho an-dry zareo Maorisianina, hanomana ny fivahinianan’ny delegasionany. Ry zareo Mahorais koa vao andro vitsy lasa izay no namoaka ny lisitry ny ekipam-pirenena ho an’ny taranja handball, sokajy lahy sy vavy, izay ahitana ireo mpilalao avy any amin’ny klioba ivelan’ny firenena, toa an’i La Réunion.
Izany rehetra izany no midika, hoy hatrany ny minisitra, fa raikitra ary ho avy avokoa ireo nosy rehetra mpandray anjara.
Mi.Raz




