Nandresy ny ekipan’i Tonizia , noho ny tsy fahafahana nilalao, ny ekipa malagasy, omaly, ao anatin’ny lalaon’ny Frankofonia, taranja basikety. Tafakatra amin’ny ampahefa-dalana, araka izany, ny Ankoay. Taorian’ny faharesena tamin’ny isa ety dia ety, nanoloana an’i Cameroun, ny sabotsy lasa teo.Antony tsy nahafahan’ny tonizianina nilalao ny olana teo amin’ny fanamiana. Efa nomena 40mn ry zareo hanoloana izany noho ny fitoviana tamin’ny an’ny Malagasy. Tsy tonga ara-potoana ka tsy afaka ny niakatra kianja intsony.
Raha hiverenana ny lalao nihaonana tamin’i Cameroun, isa 4 monja ny nanelanelana ny roa tonta, izay nahazoan-dry zareo Camerounais ny fandresena. 70 no ho 66 ny isa nisarahana. Nanjakan’ny Ankoay tanteraka ny ampaham-potoana voalohany sy faharoa. Nanomboka niady ny lalao tamin’ny ampaham-potoana fahatelo, saingy mbola nanantombo ny Malagasy.
Telo minitra tsy hifaranan’ny lalao, nanantombo i Cameroun. Resy tamin’ny isa 66 no ho 70 ny Ankoay. Araka izany, laharana faharoa ao amin’ny vondrona C i Madagasikara. Nahazo ny tapakila hiatrehana ny lalao ampahefa-dalana. Fandresena iray ihany dia ampy niakarana amin’ny dingana manaraka, izay hatao rahampitso.
Mpilalao mendrika i Hajanirina Muriel. Nampiseho ny fahaizany tanteraka izy tamin’ny lalao natrehany.
Mi.Raz




