Ceni : “Hanohana amin’ny fanatanterahana fifidianana ny Sadc”

“Fantatra tamin’ny fihaonana fa vonona ry zareo hanohana an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana fifidianana, handefa mpanara-maso amin’izany”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, An­driamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fihaonan-dry zareo tamin’ny iraky ny Sadc. Nifototra amin’ny zara asan’ny Ceni ny dinika: ny fanavaozana ny lisi-pifidianana, ny fikarakarana fifidianana, ny fahazoana anto-
ka amin’ny fanatanterahana azy… Nisaoran-dry zareo fa voavaly araka ny tokony ho izy izany. Tsy miditra amin’ny resaka ankoatra izay anirahan’ny lalàna azy rahateo ny Ceni. Mety misy ny resaka tany ambadika tany hoe tsy mbola fotoan’ny fifidianana izao, fa izay ampanaovin’ny lalàna azy ihany no ataon’ny Ceni: fanatanterahana fifidianana izany.

Atao izay hampahombiazana ny demokrasia
Amin’ny lafiny iray, tsy omen-tsiny izay olona mieritreritra na manahy hoe mamboly krizy ny fahatongavan’ny iraky ny Sadc. Niaraha-nahita ny zava-nisy tamin’ny fotoan’androny. Raha ny fihaonana tamin’ny Ceni, fakan-dry za­reo antoka ny fahazoan’i Ma­dagasikara miroso sy manatanteraka fifidianana. Tsy hoe mitsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy ry za­reo amin’izany. I Madagasika­ra mpiara-miombon’antoka ao anatin’ny rafitra no antony. Misy sampana misahana ny demokrasia ao anatin’ny Sadc. Fana­raha-maso no ataony amin’iza­ny, fa tsy hoe mibaiko na mitsabaka.

R. Nd.

Partager sur: