Fihoaram-pefy sy tsy fanarahan-dalàna : niantso ny rehetra hamaky bantsilana ny Tim

Nanao fanambarana ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, omaly. Niantso ny rehetra ho mailo mano­loana ny tsy fanarahan-dalàna ny tenany.

Niantso sy nanaitra ny rehetra ny Tim. Nam­baran’izy ireo fa miditra amin’ny fampiasana ny fahefam-panjakana hanaovana fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana hanohanana ny mpitondra ny fanjakana. “Efa finiavana sahady handika ny lalàna velona, mitaky ny tsy tokony hisian’ny fiandaniana sy fitanilàna ataon’ny mpitantan-draharaham-panjakana sy ny mpiasam-panjakana mialohan’ny fifidianana”, hoy izy. Nohitsiny fa fandikan-dalàna amin’ny fampiasana ny fahefam-panjakana sy ny mpiasam-panjakana ary ny fananam-panjakana hanaovana fampielezan-kevitra hanohanana olona amin’ny fifidianana izao ataon’ny mpitondra izao. Nanteriny fa raisina ho fihan­tsiana izany.
Notsiahiviny fa nanome toromarika maniraka ireo prefet sy sefo distrika hitety kaominina ny minisitry ny Atitany, araka ny taratasy “laharana 162/2023-MID”, ny 27 jolay teo. Hanontany ny tena ilain’ny vahoaka ho an’ny fampandrosoana sy hanazava ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) izany ary hitanisa ireo zavabitan’ny fitondrana. “Hanery ny mpiasam-panjakana ireo rehetra eo ambany fahefany ny prefet sy ny sefo distrika ary manery ireo mpandraharaha hanampy eo amin’ny vola sy fitaovana hanatanterahana io baiko nomen’ny minisitra io”, hoy izy.
Nohamafisiny fa tsy azo ekena intsony ny fandikan-dalàna sy ny famitahana ny vahoaka amin’ny fanodikondinana ny safidiny. Tsy maintsy mijoro ny Tim hanohitra izany, ary ho mailo tsy ho tafiditra ao anatin’ny vela-pandrik’ireo mitetika hanakorontana, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: