“Fampiakarana ny fahefa-mividin’ny olona no tokony hatao amin’izao fotoana izao. Eo koa ny fametrahana politika momba ny asa maharitra. Tsy misy izao ny asa. Be dia be ny tsy an’asa. Na miasa aza ny olona, kely sy tsy mahavelona ny karama”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote Tim voafidy tao Antananarivo VI, Andriamampandry Todisoa, manoloana ny fikasan’ny mpitatitra hampiakatra saran-dalana. Raha tena mieritreritra hampiakatra saran-dalana ny mpitatitra, tokony hisy fepetra tantsoroka ataon’ny mpitondra ho azy ireo. Ao anatin’izany ny vidin-tsolika: raha midina, ohatra, ny vidin’ ny “baril” eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, tokony hidina ny vidiny eto Madagasikara.
Mahantra ny vahoaka amin’ izao fotoana izao, sahirana sy fadiranovana. Koa raha mbola hisy hoe fampiakarana saran-dalana, tsy zakan’ny vahoaka intsony izany. Amin’ny fomba ahoana no hiainan’ny olona amin’izany fampiakarana saran-dalana izany? Zara fa misy aza izao ny sakafo hohanina, efa tsy vita raha misy marary ao an-tokantrano, ho avy ny fimpidirana mpianatra an-tsekoly ary tena sahirana ny ray aman-dreny…Miampy ny tsy fandriampahalamena izany.
Aiza intsony no hahazakan’ny isan-tokantrano izany fampiakarana saran-dalana izany? Raha hisy izany, sanatria, hisy fipoahana sosialy amin’izay. Satria efa tena mizaka ny tsy eran’ny aina ny vahoaka.
R. Nd.




