Distrika Andramasina : handray toromarika ny Tim

Ho ambohipihaonan’ny mpikatroka eo anivon’ny antoko Tim sy ireo mpomba ny filoha nasionaly Ravalomanana Marc ny ao amin’ny Tranompokonolona Ambohimiadana, anio. Hivory sy handray ny toromarika izy ireo amin’izao fihaonana izao. Anisan’ny hiatrika izany ny avy amin’ity antoko ity sy ny Komity mpanohana KMMR. Ireo avy amin’ny tanora Tim sy ny vehivavy. Eo koa ireo mpikatroka eny anivon’ny fokontany. Hitarika izany any an-toerana kosa ny avy aty amin’ny birao politikan’ny antoko Tim sy ny foibe.
Tsiahivina fa anisan’ireo distrika mbola mifikitra sy mpanohana ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc ny any Andramasina tamin’ireo fifidianana nifanesy. Fanambin’ireo mpikambana ny hanohizana sy ny hanamafy izany hatrany amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ity taona ity. Anentanan’izy ireo ny rehetra sy ny fisokafana amin’ny hery velona any an-toerana izany anton’izao fivoriambe izao.

Synèse R.

Partager sur: