Fihaonambem-pirenena: maka bahana hampihaona ny mpanao politika ny FFKM

Efa mamaramparana ny fihaonambem-paritra ny eo anivon’ny FFKM amin’izao fotoana izao. Eo am-piketrehana ny fifampidinihan’ny mpanao politika izy ireo izao, amin’ilay fihaonambem-pirenena.

Mamarana ny fihaonambem-paritra any Main­ti­rano, ny 4 sy 5 aogositra izao, ny eo anivon’ny FFKM amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny loharanom-baovao iray. Samy nahavita izany ireo faritany FFKM miisa 34 eo anivon’ny fiangonana efa-tonta. “Efa eo am-pandrafetana ny drafitra sy ny fandaharam-potoana rehetra amin’ny fihaonambem-pirenena ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao”, hoy ihany ny loharanom-baovao. Hotanterahina eto an-drenivohitra, ny 29 aogositra hatra­min’ny 1 septambra, izany. Hatao amin’ny andro fahefatra amin’io fihaonambe io ny fanofanana ireo mpampiofana ny Andrimaso FFKM, hanara-maso ny fifidianana. Eo am-piandrasana ny isan’ireo birao fandatsaham-bato avy amin’ ny Ceni koa izy ireo ahafahana mandrakotra mpanara-maso hatreny ifotony.
Nanteriny fa hojerena ny fomba hiantsoana sy ny fampihaonana ireo mpisehatra politika amin’izany fihaonambem-pirenena izany. Ani­san’ny hibahan-toerana ao anaty dinika rahateo ny lafiny sosialim-bahoaka sy ny toekarena ary ny fihariana. Eo koa ny resaka politika sy ny fifidianana, miainga amin’ireo angon-kevitra tamin’ireo dinika teny anivon’ny faritra izany, araka ny nambaran’ny loharanom-baovao hatrany. Manam­py izany ny fandinihana ny fiainana anatin’ny FFKM.
Tsiahivina fa nikasa ny hihaona amin’ireo filoham-piangonana ny iraka avy amin’ny Sadc, nandalo teto. “Tsy tanteraka izany noho ny fandaharam-potoan’ireo filohan’ny FFKM fa tsy midika hoe malaina hifampiresaka izy ireo… Antomotra loatra ny fiantsoana fihaonana”, hoy ihany ny loharanom-baovao iray.

Synèse R.

Partager sur: