Faha-65 taonan’ny antoko Monima: “Aoka tsy ho sarivongan’ny tombontsoa vahiny”

Namoaka fanambarana, ny 29 jolay teo, ny Monima ary nampahatsiahy ny faha-65 taona nijoroan’ny antoko. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa manana vinam-piarahamonina mifototra amin’i Madaga­sikara otronin’ny Malagasy ny antoko. ”Tsy sarivongan’ny tombontsoa vahiny izahay ary vonona hanova ny hoavy”, hoy ny fanambarana, noso­niavin’ny filoha nasionaly, i Roindefo Monja. Notanisain’ ny Monima amin’izany fa hiarovana ny firaisam-pirenena sy ny fihavanana. Ny fanandratana ny soatoavina sy ny kolontsaina. Eo koa ny toekarena mahavelona nefa manaiky fiaraha-miasa samy mahazo tombony. “Manome lanja ny tanora sy ny mpandraharaha teratany ary mitsinjo ny maha olona sy ny fiarovana ny tontolo iainana”, hoy ny Mo­nima. Nohitsin’izy ireo koa fa ilaina ny fanajana ny fahalalahana sy ny fenitra demokratika. Anisan’izany ny fifidianana madio, tsy misy fanodinkodinana safidim-bahoaka na koa hala-bato, araka ny fanambarana hatrany.
Eo koa anefa ny demokrasia amin’ny sehatry ny toekarena sy ny sosialy. “Ao anaty fitsinjaram-pahefana arahana fa­haiza-manao sy fitiavana ha­nompo ny firenena sy ny va­hoaka”, hoy ihany ny Moni­ma.
Hiomana amin’ny kongresy tsy ho ela ny antoko ary hanao fanambarana momba ny fahitan’izy ireo ny fiainam-pirenena sy ny fifidianana filohan’ny Repoblika hotanterahina ny 9 novambra izao.

Synèse R.

Partager sur: